1 Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.

3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;

4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;

5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.

6 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.

7 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.

8 Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
